Lamentations 4

Fietren-tena noho ny fitsarana ataon’ Andriamanitra, ary fanantenam-pamonjena

1Indrisy! efa matromatroka ny volamena; Efa niova ny tena volamena tsara! Ny vato nohamasinina dia efa nahahany eny an-joron-dalambe rehetra eny. 2Indrisy! ny zanaka mahafinaritr’ i Ziona, izay saro-bidy tahaka ny tena volamena, dia efa atao ho toy ny siny, asan-tànan’ ny mpanefy tanimanga! 3Na dia ny amboadia
Na: jakala.
aza dia manolotra nono hampinonoany ny zanany; Fa ny oloko zanakavavy kosa dia efa masiaka toy ny ostritsa any an-efitra.
4Ny lelan’ ny zaza minono miraikitra amin’ ny lanilaniny noho ny hetaheta; Ny ankizy madinika mangataka hanina, nefa tsy misy mizara ho azy. 5Izay nihinana zava-py dia mahantra eny an-dalambe; Izay notezaina tamin’ ny jaky dia mandamaka eny amin’ ny zezika
Heb Naziritany.
.
6Fa ny heloky ny oloko zanakavavy dia lehibe noho ny helok’ i Sodoma, Izay noravana indray mipi-maso monja, nefa tsy nokasihin-tanana akory, 7Ny lehibeny
Heb Naziritany.
dia mangatsakatsaka noho ny fanala, eny, fotsy noho ny ronono; Mena noho ny voahangy
Na: perila.
ny tenany; Tahaka ny vato safira ny endriny.
8Fa izao kosa dia mainty noho ny arina ny tarehiny, ka tsy fantatra eny an-dalana izy; Ny hodiny miraikitra amin’ ny taolany ka tonga maina toy ny hazo. 9Tsara ny matin-tsabatra noho ny maty mosary; Fa ireto dia mihareraka toy ny voatrobaka noho ny tsi-fisian’ ny vokatry ny saha. 10Ny tanan’ ny vehivavy malemy fanahy aza dia nahandro ny zanany: Eny, izany no nohaniny tamin’ ny fandringanana ny oloko zanakavavy. 11Tanterahin’ i Jehovah ny fahavinirany, naidiny ny fahatezerany mirehitra, ary Izy nampirehitra afo tao Ziona, handevonana ny fanorenany. 12Ny mpanjakan’ ny tany sy ny mponina rehetra amin’ izao tontolo izao dia tsy nanampo fa ny rafilahy sy ny fahavalo no ho tafiditra ao amin’ ny vavahadin’ i Jerosalema. 13Noho ny fahotan’ ny mpaminany sy ny heloky ny mpisorony, izay nandatsaka ny ran’ ny marina tao aminy, no nahatongavan’ izao. 14Niraparapa toy ny jamba teny an-dalambe izy, sady voahosin-drà ny tenany, ka tsy nisy sahy nikasika ny akanjony. 15Ny olona niantsoantso azy hoe: Mialà ianareo, fa maloto, mialà, mialà, aza mikasika anay. Raha nandositra sy niraparapa izy, dia hoy ny olona tany amin’ ny jentilisa: Tsy mahazo mivahiny atỳ intsony ireny. 16Ny fahatezeran’
Heb tavany.
i Jehovah no nampihahakahaka azy, ary tsy mijery azy intsony Izy; Ny mpisorona tsy hajain’ ireny, ary ny antitra tsy amindrany fo.
17Mbola pahina ny masonay miandry foana ny hamonjy anay; Nitazana teo amin’ ny tilikambo izahay nanantena ny firenena izay tsy nahavonjy anay. 18Mitsongo-dia anay izy, ka tsy mahazo mandeha eny an-dalambe aza izahay; Akaiky ny fara-fiainanay, tapitra ny andronay, eny, tonga ny fara-fiainanay. 19Ny mpanenjika anay dia haingam-pandeha noho ny voromahery eny amin’ ny lanitra, ka miolomay manenjika anay any an-tendrombohitra ary manotrika anay any an-efitra izy. 20Ny fofonainay, ilay voahosotr’ i Jehovah, dia efa voafandriky ny longoany, dia ilay nataonay hoe: Ao ambanin’ ny alokalony no hahavelona anay any amin’ ny firenena. 21Mifalia sy miraveravoa ihany ary, ry Edoma zanakavavy, izay monina any amin’ ny tany Oza, ianao koa no horosoana ny kapoaka, ka ho mamo sy hitanjaka ianao. 22Tsy misy intsony ny helokao, ry Ziona zanakavavy, tsy ho entina ho babo intsony ianao; Hamaly anao Izy, ry Edoma zanakavavy, noho ny helokao ka hampiseho ny fahotanao.
Copyright information for Mg1865